By HaRy
Mitohy ny fampiofanana notarihin’ilay teratany amerikana, Rtoa Julia Brennan, mikasi-ka ny fomba fitehirizana ireo lamba landy fahiny voarakitra eny amin’ny. Rovan’Ilafy. Ny 20 janoary teo no nanomboka ny Fiofanana. Niainga tany amin’ny an-tsoratra, izany hoe, fanangonana ireo tahirin-kevitra milaza ny rnomba ireo lamba hokirakiraina, toy ny fomba nanamboarana, ny loko nampia-saina taminy, ny naharetany tao an-dRova, ny nampiasana azy, sns. “Ny antony hanaovana izany fanadihadiana izany”, hoy Rtoa Julia Brennan, mpam-piofana, “dia mba ahafahana mahalala ny ho fizotry ny fikajiana, izay marihina fa mety misy mahasamihafa azy araka ny vokatry ny fanadihadiana ara-tahirin-kevitra. Rehefa vita izany dia miroso amin ‘ny dinga-na manaraka dia ny fitsapana na misy loko mety miala na azo atao na tsia ny manasa ny lamba amin’ny rano tsotra na misy akora hafa miaraka aminy. Izay vao miroso amin ‘ny fomba fitehirizana ny mpiofana.”
Fianarana feno no atao eny Andafiavaratra
“Raha ny tena fototry ny fampianarana”, hoy Rtoa Raharimanana Emiline, Lehiben’ny sampandraharaha-n’ny vakoka hita maso ao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Fizahantany, “dia ny fomba hampitsaharana nyfaha-simbana sy fikajiana ireo lamba landy ireo”. Tsy nijanona teo anefa ny fampiofanana fa niita-tra hatrany amin’ny fianarana ireo fomba 1 anehoana fampiran-tiana arv nv fikirakirnna nv tahi-rimbakoka vita amin’ny lamba landy, izay ilana fahaizana tokoa noho ny izy ireo efa lazoi-n’ny vanim-potoana. Mahatratra hatrany amin’ny 79 ny lamba hanaovana ny fampi-harana eny amin’ny Lapan’ Andafiavaratra, ka ny ankamaroan’izy ireo dia avy eny amin’ny Rovan’Ilafy avo-koa.
Hizara ireo mpiofana avy eo
Miisa 12 mianadahy ireo mpiofana mandray arrjara ami-n’izao atrikasa izao. Misy ny avy any amin’ny Tranom-bako-ky ny oniversiten’i Fianarantsoa (Musee Faniahy), misy ny avy any Mahajanga (Musee Akiba), ary ny avy eto Antananarivo (Tranonjavakanto sy Arkeòlòjia Isoraka). Izy ireo indray no hitondra ny tombom-pahaialana azony any amin’ireo faritra sy toerana iasany. “Tombony lehi-be ho anay”, hoy ny ankama-roan’ny mpiofana, “ny mahazo fiofanana tahaka izao satria maro tokoa ny vakoka vita amin’ny lamba misy any amin’ny faritany kanefa tsy misy fikara-karana fa saika notazanim-pot-sihy noho ny tsy fahampian ‘ny fahalalana amin ‘ny fikajiana.”
Ny 18 febroary izao no hiso-katra ho an’ny besinimaro ny fampirantiana ireo vokatry ny fiofanana nataon’izy 12 mianadahy. izay ahitana ihany koa ny endrika vaovaon’ilay efitrano malalaky ny Lapan’Andafi-avaratra nasiam-panavaozana.